Ny fameno dia anjara asan' ny teny (na andian-teny) izay maneho ny fiankinan' io teny io (na io andian-teny io) amin' ny teny na andian-teny iray hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Misy karazany maro, arakaraka ny hevitr' ilay fiankinana na ny sokajin-teny iankinan' ilay teny, ny fameno. Mety hisy mpampiankina na tsia mampifadray ireo teny na andian-teny mifameno ireo.

Fanasokajiana ny fameno

[hanova | hanova ny fango]

Ny fanasokajiana dia mety ho ara-drafi-piteny na ara-tsokajin-teny na ara-keviteny.

Fameno mivantana sy fameno tsy mivantana

[hanova | hanova ny fango]

Raha ankinina amin' ny endriky ny fandrafetam-pehezanteny ihany ny fanasokajina dia izao: lazaina hoe "fameno mivantana" raha tsy misy mpampiakina fa "fameno tsy mivantana" raha misy mpampiankina. Raha ankinina amin' ny hevitra indray dia tsy voatery hitady mpampiakina ny fameno tsy mivantana ary tsy voatery ho tsy mivantana ny fameno ahitana mpampiakina. Izany no mitranga eo amin' ny fanasokajiana ny fameno zoina.

Fameno mivantana

[hanova | hanova ny fango]

Mivantana ny fameno iray raha tsy misy mpampiankin-teny mampitohy ny teny fenoina amin' ny fameno. Ny fameno zoina mivantana dia anisan' ireo fameno mivantana, nefa amin' ny fiteny sasany (toy ny fiteny espaniôla sy ny fiteny malagasy, ohatra) dia misy fameno zoina mivantana atohin' ny mpampiankin-teny amin' ny matoanteny fenoiny.

Ohatra:

Fameno tsy mivantana

[hanova | hanova ny fango]

Tsy mivantana ny fameno iray raha misy mpampiankin-teny mampitohy ny teny fenoina amin' ny fameno. Na dia manjavona aza ny mpampiankin-teny mampifandray ny teny raha mpisolo tena no fameno, dia "tsy mivantana" ihany no iantsoana io fameno io. Anisan' ny fameno tsy mivantana ny fameno zoina tsy mivantana. Matetika ny fameno zoina tsy iharana dia tsy mivantana.

Ohatra:

Fanasokajiana araka ny loha-tarika

[hanova | hanova ny fango]

Raha araka ny sokajin-teny iankinana no anasokajiana ny fameno dia misy ny famenon' ny matoanteny, ny famenon' ny anarana, ny famenon' ny mpamari-toetra, ny famenon' ny tambinteny sns.

Famenon' ny matoanteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny matoanteny dia fameno tsy azo sarahina amin' ny matoanteny ao anaty fehezanteny. Mety ho fameno zoina na fameno toe-javatra araka ny fitsipiteny mahazatra izany. Amin' izao fotoana iroboroboan' ny haiteny izao dia ampifanoherina amin' ny famenon' ny fehezanteny ny famenon' ny matoanteny. Matetika dia tsy azo afindra toerana ny famenon' ny matoanteny. Io andian-teny foronin' ny matoanteny sy ny famenony io no atao hoe "tarika matoanteny". Araka ity hevi-teny farany ity dia tsy inona ny famenon' ny matoanteny fa ny fameno zoina ihany.

Famenon' ny mpamaritra

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny mpamaritra dia teny na andianteny mameno ny mpamaritra ka mety misy na tsy misy mpampiankin-teny manakambana azy amin' ny mpamaritra fenoiny, arakaraka ny fiteny. Ny andian-teny foronin' ny mpamaritra sy ny famenony no atao hoe "tarika mpamaritra".

Famenon' ny tambinteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny tambinteny dia teny na andian-teny mameno ny tambinteny ka mety misy na tsy misy mpampiankin-teny manakambana azy amin' ny mpamari-toetra fenoiny, arakaraka ny fiteny. Ny andian-teny foronin' ny tambinteny sy ny famenony no atao hoe "tarika tambinteny".

Famenon' ny mpampiankin-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny mpampiankin-teny dia teny mameno ny mpampiankin-teny ka tsy misy mpampiankin-teny hafa manakambana azy roa ireo. Ny andian-teny foronin' ny mpampiankin-teny sy ny famenony no atao hoe "tarika mpampiankin-teny".

Famenon' ny anarana

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny anarana dia teny (matetika anarana na mpisolo) izay mameno ny anarana. Ny andian-teny foronin' ny anarana sy ny famenony no atao hoe "tarika anarana".

Famenon' anjara asa

[hanova | hanova ny fango]

Raha araka ny anjara asan' ny teny iankinana kosa no anaovana ny fanasokajiana dia misy ny famenon' ny entimilaza sy ny famenon' ny lazaina ary ny famenon' ny fameno. Misy koa ny atao hoe famenon' ny fehezanteny.

Famenon' ny entimilaza

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny entimilaza dia teny atao fameno ho an' ny teny hafa mitana ny anjara asa entimilaza. Ny entimilaza dia matetika matoanteny, nefa arakaraka ny fiteny dia mety ho mpamari-toetra, na anarana na sokajin-teny hafa izany.

Famenon' ny fehezanteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny fahezanteny dia teny atao fameno ao amin' ny fehezanteny nefa tsy miraikitra amin' ny matoanteny fa azo foanana na afindrafindra toerana. Ny ankamaroan' izay ataon' ny fitsipiteny mahazatra hoe fameno mpamari-toe-javatra dia famenon' ny fehezanteny.

Ohatra:

Famenon' ny lazaina

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny lazaina dia teny atao fameno ho an' ny teny hafa mitana ny anjara asa lazaina. Ny lazaina dia matetika anarana na mpisolo tena, nefa arakaraka ny fiteny dia mety ho mpamari-toetra na sokajin-teny hafa.

Famenon' ny fameno

[hanova | hanova ny fango]

Ny famenon' ny fameno dia teny mikambana sy miankina amin' ny fameno amin' ny alalan' ny mpampiankin-teny. Ao amin' ny fitsipiteny malagasy ankehitriny dia anisan' ny atao hoe "zana-pameno" ny famenon' ny fameno.

Karazana tsinjara asa fameno

[hanova | hanova ny fango]

Raha ny fifandraisana ara-kevitra ao anaty fehezanteny no banjinina dia misy ny fameno iharana, ny fameno toe-javatra, ny fameno mpanao sns. Ny fanaovana lazaina ny teny misahana ny iray amin' ireo tsinjara asa ireo no miteraka ny atao hoe fitodika sampana.

Fameno zoina

[hanova | hanova ny fango]

Ny fameno zoina dia famenon' ny matoanteny izay tsy azo sarahina aminy na afindrafindra toerana ao amin' ny fehezanteny. Mety hatohin' ny mpampiankin-teny ilay matoanteny sy ny fameno zoina.

Fameno zoina iharana

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny haiteny amin' izao fotoana izao dia karazany iray amin' ny fameno zoina ny fameno iharana izay atao hoe fameno zoina iharana.

Fameno zoina hafa

[hanova | hanova ny fango]

Ny fameno sasany, izay atao hoe fameno toe-javatra tao amin' ny fitsipiteny mahazatra maro, dia atao hoe fameno zoina amin' ny haiteny ankehitriny arakaraka ny fifandraisany ara-drafi-pehezanteny ao amin' ny fiteny tsirairay.

Fameno toe-javatra

[hanova | hanova ny fango]

Ny fameno toe-javatra dia fameno ao amin' ny fehezanteny izay tsy anisan' ny fameno zoina. Ao amin' ny fitsipiteny mahazatra dia atao hoe fameno toe-javatra ny fameno rehetra tsy iharana na dia heverina fa famenon' ny matoanteny aza. Amin' ny haiteny amin' izao fotoana izao koa dia tsy misy fameno toe-javatra ankoatry ny famenon' ny fehezanteny.

Fameno toe-javatra milaza toerana

[hanova | hanova ny fango]

Fameno teo-javatra milaza fotoana

[hanova | hanova ny fango]

Fameno toe-javatra milaza fomba

[hanova | hanova ny fango]

Fameno toe-javatra milaza antony

[hanova | hanova ny fango]

Fameno toe-javatra hafa

[hanova | hanova ny fango]

Fameno mpanao

[hanova | hanova ny fango]

Ny fameno mpanao dia famenon' ny fehezanteny manondro ny mpanatanteraka ny asa. Rehefa tsy atao lazaina ny mpanao ny asa dia manjary fameno mpanao. Amin' ny fiteny sasany izy dia ampidirin' ny mpampian-kinteny fa amin' ny fiteny sasany hafa dia afaka mitana io anjara asa io izy na dia tsy misy mpampiakina.

Ohatra:

Fanakambanana ny anjara asa sy tsinjara asa fameno

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fiteny rehetra dia tsy mitovy ny fahafahana mampifameno ny teny na ny andian-teny ao amin' ny fehezanteny ka ao ireo izay tsy afaka manakambana ny anjara asa ara-kevitra (tsinjara asa) sasany amin' ny anjara asa arak' endrika (anjara asa) sasany.

Ohatra, ao amin' ny fiteny frantsay dia tsy maintsy fameno ny toe-javatra nefa ao amin' ny fiteny malagasy dia azo atao lazaina ny toe-javatra; ao amin' ny teny frantsay, amin' ny matoanteny sasany, dia tsy azo atao afa-tsy fameno ny anjara asa ara-keviny sasany toy ny zoina (frantsay: objet) ka ahazoana ny hoe "fameno zoina mivantana" (frantsay: complement d'objet direct) na "fameno zoina tsy mivantana" (frantsay: complement d'objet indirect).

Endrika sy fandrafetana ny fameno

[hanova | hanova ny fango]

Misy karazany efatra ny fomba isahanan' ny teny iray ny anjara asa fameno: amin' ny alalan' ny toerana (tsinjara toerana) misy azy, amin' ny alalan' ny tsirinteny miovaova araka ny anjara asa, amin' ny alalan' ny fampiasana mpampiankina na amin' ny fanakambanana ny roa amin' ireo fomba telo ireo na fanakambanana azy telo.

Toerana misy ny fameno

[hanova | hanova ny fango]

Endrika araka anjara asan' ny fameno

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny fiteny manovaova ny endriky ny teny atao fameno arakaraka ny anjara asa sahanin' io teny io. Izany no atao hoe endrika araka anjara asa na kaso. Tsy ny sokajin-teny rehetra azo atao fameno no afaka miovaova endrika araka ny anjara asa sahaniny ao amin' ny tarika na ny fehezanteny, ary tsy ny fiteny rehetra no afaka manovaova ny teny ao aminy araka ny anjara asan' io teny io. Raha lazaina ny anjara asan' ny teny dia ny endrika lazaina no isehoan' io teny io ao amin' ny fehezanteny. Raha fameno koasa ny anjara asan' ny teny dia mety hiseho amin' ny endrika milaza iharana na endrika milaza mpandray na endrika milaza tompon-javatra sns ilay teny.

Endrika milaza fameno

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno dia endriky ny teny atao fameno, tsy manavaka na iharana na tolorana na hafa izany fameno izany. Amin' ny fiteny anglisy dia endrika milaza fameno ny hoe me, you, him, her, it, us, them, whom ary whomever, raha mitaha amin' ny hoe I, you, he, she, it, we, they, who ary whoever. Toy izany koa, amin' ny fiteny frantsay dia endrika milaza fameno ny hoe me sy te raha mitaha amin' ny je sy tu.

Endrika milaza fameno iharana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno iharana dia endriky ny teny atao fameno maneho ny anjara asan' ny teny atao fameno iantefan' ny asa na ny hetsika. Amin' ny fiteny frantsay dia endrika milaza fameno iharana ny hoe le sy la ary les raha mitaha amin' ny il sy elle ary ils/elles. Ny lui sy ny leur dia endrika milaza fameno mpandray.

Endrika milaza fameno tolorana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno tolorana dia endriky ny teny atao fameno maneho ny anjara asa fameno tolorana. Amin' ny fiteny frantsay dia endrika milaza fameno tolorana ny hoe lui sy leur raha mitaha amin' ny il/elle sy ils/elles.

Endrika milaza fameno tompon-javatra

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno tompon-javatra dia endriky ny teny atao fameno maneho ny anjara asa fameno tompon-javatra. Amin' ny fiteny anglisy dia endrika milaza fameno tompon-javatra ny hoe my, mine; your, yours; his; her, hers; its; our, ours; their, theirs; whose; whosever raha mitaha amin' ny hoe sy ny hoe I, you, he, she, it, we, they, who ary whoever, izay endrika lazaina, sy ny hoe me, you, him, her, it, us, them, whom ary whomever, izay endrika fameno.

Endrika milaza famenon' anarana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza famenon' anarana dia ampiasaina rehefa ny anarana no famenon' ny anarana hafa. Ny endrika milaza famenon' anarana dia maneho manokana ny fananana, amin' ny fiteny maro.

Ohatra amin' ny fiteny latina:

Petri manus ("tanan' i Petera), Mariae domus ("tranon' i Maria"), Petri mater ("renin' i Petera"), raha mitaha amin' ny anarana hoe Petrus sy Maria izay amin' ny endrika lazaina.

Endrika milaza fameno toerana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno toerana dia endriky ny teny atao fameno maneho ny anjara asa fameno toerana. Amin' ny fiteny frantsay dia endrika milaza fameno toerana ny hoe y (sy en: toerana ialana) raha mitaha amin' ny il, elle, ils ary elles. izay lazaina, sy ny le sy la ary les, izay endrika fameno iharana, na ny lui sy leur izay endrika fameno tolorana. Amin' ny fiteny litoaniana dia endrika milaza fameno toerana ny hoe Lietuvoje ("ao Litoania) sy Vilniuje ("any Vilnius") raha mitaha amin' ny Lietuva ("Litoania") sy Vilnius ("Vilnius") izay endrika lazaina,

Endrika milaza fameno fialana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno fialana dia maneho indrindra ny hetsika avy amin' ny toerana (misokatra). Afaka maneho fisarahana koa io endrika io.

Amin' ny fiteny baska, ny endrika milaza fameno fialana dia manondro ny toeram-piaviana, izay azo adika amin' ny fiteny malagasy hoe "avy": ny endrika milaza fameno fialana dia azo amin' ny fampidirana ny tovana -tik na etik (raha tokana), ary -etatik (raha maro): Bilbotik etorri naiz, "Avy any Bilbao aho".

Endrika milaza fameno fitaovana

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno fitaovana maneho indrindra ny fitaovana hanatanterahana ny hetsika. Amin' ny fiteny hôngroà, ny endrika milaza fameno fitaovana dia aseho amin' ny alalan' ny tovana -val/-vel, ny -v- dia miova rehefa arahin' ny teny manomboka amin' ny renifeo hafa:

Endrika milaza fameno antony

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno antony dia maneho ny antony manosika ny hetsika asehon' ny matoanteny. Hita amin' ny fiteny kanada sy telogo (fiteny dravidiana), ny fiteny ketsoa any Amerika Atsimo, ary ny fiteny artsy (fiteny kaokaziana avaratra-atsinanana). Hita ao amin' ny fiteny tôkariana B (fiteny indô-eorôpeana) efa lany tamingana koa io.

Endrika milaza fameno fomba

[hanova | hanova ny fango]

Ny endrika milaza fameno fomba dia ampiasain' ny fiteny sasany, maneho ny fomba fanatanterahana ny asa asehon' ny matoanteny, ampiasaina amin' ny fiteny finoa sy estôniana ary tiorka.

Fampiasana mpampiankin-teny

[hanova | hanova ny fango]

Na ny fiteny afaka manovaova ny endriky ny teny ao aminy arakaraka ny anjara asa sahaniny, na ireo fiteny tsy afaka manao izany dia matetika mampiasa mpampiankin-teny mba hahatandrify tsara ny anjara asa kendrena ho sahanin' ny teny atao fameno.

Fameno zoina

[hanova | hanova ny fango]

Fameno toe-javatra

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]