Azbuka nataon' i Ivan Fyodorov, mpanao pirinty, ary nalaza ho ny firaketana an-tsoratra tranainy indrindra amin' ny fiteny roteniana.

Ny fiteny roteniana dia vodrom-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana, indrindra ny fiteny tamin' ny taonjato faha-15 ka hatramin' ny faha-18 tany amin' ny Dokea Lehiben' i Litoania sy tany amin' ny faritra slava atsinanana ao amin' ny Repoblikan' ny Firenena Roa. Ny fitsinjaràna isam-paritr' ireo karazany ireo, na amin' ny endriny literatiora sy amin' ny maha fiteny andavanandron' ny vahoaka, dia mifanandrify amin' ny fizaràn-tanin' ny fanjakana môderina ao Belarosia sy Okraina. Tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-18 dia nivadika tsikelikely ho karazam-piteny isam-paritra, izay nivoatra ho lasa fiteny belarosiana sy fiteny okrainiana ary fiteny rosina vaovao.

Ity fiteny ity dia tsy afangaro amin' ny fiteny rosina.

Tao amin' ny Empira Aotrisiana sy tao amin' ny Empira Aostrô-Hôngroà, io teny io (alemàna: ruthenische Sprache; hongroà: Rutén nyelv) dia nampiasaina tsy tapaka (hatramin' ny yaona 1918) ho anarana ôfisialy ho an' ny vondrom-piteny slava atsinanana manontolo ao anatin' ny sisin-taniny.

Olana maro no iadian' ny mpahay teny: fanontaniana isan-karazany mifandraika amin' ny fanasokajiana ny karazany ara-diteratiora sy ny karazany ampiasain' ny vahoaka andavanandro amin' ity fiteny ity; fanontaniana momba ny fifandraisany amin' ny fiteny slava atsinanana môderina, ary ny fifandraisany amin' ny fiteny slava atsinanana taloha (ny fiteny mahazatra nampiasaina amin' i Rosin' i Kiev tamin' ny taonjato faha-10 ka hatramin' ny faha-13).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]