Ny filaza dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin' ny zavatra lazainy (asa na toetra) amin' ny alalan' ny teny (matoanteny matetika) ka mety ho ny ahiahy ny amin' ny fahamarinan' ny zavatra lazaina na ny fisiana marin' ny zavatra lazaina na ny fahafahan' ny zavatra lazaina mitranga izany.

Amin' ny alalan' ny fiovaovan' ny endriky ny tsirinteny ao amin' ny teny milaza izany asa na toetra izany no isehoan' ny filaza ka miteraka fahamaroan' endriky ny fitanisana matoanteny na teny hafa afaka misahana izany raha miampy ny fiovana endrika vokatry ny fiendrika sy ny filazam-potoana. Ny fiteny malagasy dia ahitana ny filaza tsotra sy ny filaza mandidy. Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin' ny fiteny hafa: ny filaza ifampiankinana sy ny filaza mihonohono (na mifampiankina) ary ny filaza mirary. Amin' ny voambolan' ny fitsipiteny eorôpeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny filaza tsy mitanisa sy ny ova-matoanteny ary ny filaza toe-javatra.

Filaza fahita matetika

[hanova | hanova ny fango]

Filaza tsotra

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana ny filaza tsotra avokoa ny fiteny rehetra. Ho an' ireo fiteny tsy manana afa-tsy filaza vitsy dia mahasolo ny filaza tsy ananany ny filaza tsotra ka amin' ny alalan' ny fampiasana rafitra manokan' ny fehezanteny na fampiasana teny natokana hanambaràna ny hevitr' ilay filaza tsy ananana no anatanterahana izany.

Ohatra:

Filaza mandidy

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny fiteny ahitana ny filaza mandidy ka anisan' izany ny fiteny malagasy. Ho an' ireo fiteny tsy manana afa-tsy filaza vitsy dia mety mahasolo ny filaza tsy ananany ny filaza mandidy ka amin' ny alalan' ny fampiasana rafitra manokan' ny fehezanteny na fampiasana teny natokana hanambaràna ny hevitr' ilay filaza tsy ananany no anatanterahana izany. Ao amin' ny fiteny malagasy dia tsy ny matoanteny ihany no afaka atao amin' ny filaza mandidy fa ny mpamari-toetra koa. Fanampin' izany ihany koa dia tsy mampiasa ny filaza mandidy ny fiteny malagasy raha misy fandavana ny ao amin' ilay feheanteny fa mampiasa ny filaza tsotra miampy ny fampiasana ny mpanampy aza.

Ohatra:

Filaza mihonohono

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ny fiteny rehetra no ahitana ny filaza mihonohono (na mifampiankina). Na ny fiteny latina na ny fiteny grika dia tsy ahitana azy io. Ny fiteny eorôpeana taty aoriana no ahitana azy, indrindra ny fiteny rômana na italika izay nateraky ny fiteny latina. Ny fiteny jermanika toy ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna dia ahitana azy koa.

Ohatra:

Filaza ifampiankinana

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaza ifampiankinana dia filaza hita amin' ny fiteny sasany toy ny fiteny latina sy ireo fiteny nipoitra avy aminy ary fiteny hafa koa. Ahitana azy koa ny fiteny alemàna sy ny fiteny rosiana. Matetika dia mifampisolo amin' ny filaza mihonohony izy, indrindra ao amin' ireo fiteny romana toy ny fiteny frantsay sns. Ny filaza ifampiankinana dia matetika hita ao amin' ny fehezankevitra miakina ka izany dia miankina koa amin' ny teny sasany (matoanteny na teny hafa toy ny mpampiankina fehezankevitra sasany) izay hita ao amin' ny fehezankevitra iakinana. Ny fiteny anglisy dia tsy dia ahitana firy ny fampiasana io filaza io sady tsy manana endrika miavaka tsara amin' ny filaza tsotra, na raha ny tena marna ny endrika tsy mitanisa, izy ao amin' io fiteny io.

Ohatra:

Filaza mirary

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaza mirary dia filaza hita amin' ny fiteny sasany ka entina ilazana ny firariana (tsara na ratsy). Tsy ny fiteny rehetra no ahitana azy io. Ahitana azy ny fiteny grika taloha, ny fiteny persàna taloha, ny fiteny sanskrita, ny fiteny albaney, ny fiteny japôney, ny fiteny finoa ary ny fiteny ttorka.

Ohatra:

Endri-matoanteny atao hoe filaza koa

[hanova | hanova ny fango]

Ny endri-matoanteny toy ny endrika tsy mitanisa sy ny ova-matoanteny ary ny endri-matoanteny toe-javatra dia lazaina ao amin' ny fitsipitenin' ny fiteny eorôpeana ho anisan' ny filaza koa.

Filaza tsy mitanisa

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaza tsy mitanisa dia endriky ny matoanteny tsy miova na tsy dia misy fiovana firy ka matetika afaka mitana ny anjara asa sahanin' ny sokajin-teny anarana. Ho an' ny fiteny frantsay sy ny fiteny hafa koa dia ny filaza tsy mitanisan' ny matoanteny no hita ao anaty rakibolana. Tsy izany no mitranga ho an' ny fiteny grika sy latina.

Ohatra:

Ova-matoanteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny ova-matoanteny dia endriky ny matoanteny izay sady azo ampiasaina amin' ny maha matoanteny azy no afaka misahana ny anjara asan' ny mpamari-toetra.

Filaza toe-javatra

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaza toe-javatra dia endriky ny matonteny izay matetika afaka mitana ny anjara asan' ny fameno toe-javatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]