Ny bahaisma na finoana bahay eto Madagasikara dia niorina tamin' ny tenantenan' ny taonjato faha-20 ka fahatanterahan' ny fikasan' i `Abdu'l-Bahá, mpitarika ny Bahay maneran-tany, izany, izay naniraka ireo mpanaraka ny finoana bahay handeha aty Madagasikara[1]. Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953[2] ny mpisava lalana voalohany ka nisy ny Malagasy sasany niova ho amin' izany finoana izany. Niorina ny antenimiera[3] voalohany teto Madagasikara tamin' ny taona 1955. Tamin' ny taona 1963 dia niforona koa ny vondrona bahay izay nonina tamin' ny toerana efatra. Tamin' ny volana Jolay 1967 i Rúhíyyih Khanum no solontena nitsidika ny mpino bahay malagasy voalohany[4]. Tamin' ny taona 1973 no nanaovana filazana ôfisialy ny fisian' ny fikambanana bahay eto Madagasikara[5]. Tamin' ny taona 2003 dia nahatratra 33 ny toeram-pivoriana[2]. Milaza ny Association of Religion Data Archives tamin' ny taona 2005 fa 17 900 no isan' ny mpino bahay eto Madagasikara[6].
Na dia efa nisy mpino bahay tao Maorisy tamin' ny taona 1910[7] dia tsy nisy filazana momba ny finoana bahay eto Madagasikara raha tsy tamin' ny soratra nalefan' i 'Abdu'l-Bahá (ny mpitarika ny finoana bahay tamin' izay) tamin' ny mpino bahay any Etazonia sy any Kanada tamin' ny taona 1916-1917 nanirahana azy ireo handeha aty amin' ny faritr' i Afrika[1]. Natambatra ho boky izany soratra izany (Tablets of the Divine Plan) ka nivoaka tao amin' ny gazatiboky Star of the West tamin' ny 12 Desambra 1919 taorian' ny fiafaran' ny Ady Lehibe Voalohany sy ny gripa espaniôla.[8] Tamin' ny taona 1953 dia nanomana paika iraisam-pirenena ho enti-mampianatra i Shoghi Effendi, mpandimby an' i `Abdu'l-Bahá taorian' ny nahafatesany, mba hanatanteraka ny tanjona voalaza ao amin' ny Kroazadin' ny Folo Taona[9].
Ny mpisava lalana bahay voalohany dia tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953[2] tamin' ny nahatongavan' ilay vehivavy indiana atao hoe Meherangiz Munsiff avy any Britaina Lehibe[10]. Fianakaviana mozilmana no nandray azy teto[2] ary taty aoriana dia nampiantrano azy ny fianakaviana Robert tao Antananarivo, izay anisan' ireo mpino bahay voalohany teto Madagasikara sady nadray anjara mavitrika taty aoriana tamin' ny fizotran'ny tantaran' ny bahaisma eto Madagasikara. Tsy salama i Munsiff ka nandao an' i Madagasikara tamin' ny volana Janoary 1854 iray andro taorian' ny nahalasa mpino bahay an' i Danile Randrianarivo, izay feno 29 taona tamin' izay.
Voafidy ho ao amin' ny Antenimieram-pirenena ara-panahy voalohany an' i Afrika Afovoany sy Atsinanana tamin' ny taona 1954 i Jalal Nakhjavani, rahalahin' i Ali Nakhjavani[11]. Izany vanim+potoana izany no nandehanany matetika nampianatra ka nitsidika ny nosy Zanzibar, i Madagasikara, i Maorisy, La Réunion ary i Kômôro[12]. Tamin' ny taona 1955 dia voafidy ny Antenimiera voalohany eto Madagasikara[2].
Tamin' ny volana Mey 1955 dia nanonta boky kely dimy ho fampidirana ny amin' ny fivavahana bahay amin' ny teny malagasy ny British Baha'i Publishing Trust[13]. Tamin' ny volana Avrily 1956 dia efa nisy tao amin' ny firenena 15 ao Afrika tapany atsimo ny fivavahana bahay ka isan' izany ny nosy manodidina[9]. Mba hitantanana ny fiangonana bahay eran' i Afrika tapany atsimo dia nisy ny rafi-pitantanam-paritra nofidina ka ho ao Afrika Atsimo hisahana azy ireo, izay atao hoe Antenimieram-pirenena ara-panahin' ny Bahay aty Afrika tapany Atsimo sy Andrefana (anglisy: National Spiritual Assembly of the Bahá'ís of South & West Africa) tamin' ny taona 1956[14] [9][15].
Tamin' ny volana Marsa 1960 dia ravan' ny rivodoza Carol ny nosy Maorisy sy i Madagasikara. Tao amin' ireo firenena roa ireo dia nisy Bahay rava trano, nefa nanatanteraka ny fifadian-kanina sivy ambin' ny folo andro izy ireo ary nanao fivoriana, na dia teny an-kalamanjana aza. Nisy ny fiangonana teto Madagasikara nanao fiaraha-misakafo nandritra sivy ambin' ny folo andro nandritra ny rivodoza, ka telo ihany no tsy tonga[16].
Tamin'ny taona 1963 dia mbola tokana ny antenimiera bahay teto amin'ny Nosy, dia ny ao Antananarivo, nefa nisy vondrona bahay nonina teny Ambohimanga, tao amin' ny nosy Juan de Nova, tao Mangatany, ary tao Nosy Be[14].
Tamin' ny taona 1966 i Arthur J. Gustave Ruggoo, izay mpisava lalalana tany Seisely nandritra ny taona maro, dia indraindray nanana vina manokana hampiely ny fivavahana tao La Réunion sy taty Madagasikara[12].
Tamin' ny faran' ny volana Jolay 1967 ny "Tanan' ny raharahan' Andriamanitra", dia i Rúhíyyih Khanum (vehivavy), no voalohany nankaty Madagasikara, ka nandany andro maromaro teto tamin'ny ampahan' ny fotoana tokony hitetezany ireo nosy ao amin' ny Ôseana Indiana[4]. Tsy tahaka ny ankamaroan' ny diany efa nataony, fa nandany ny fivahiniany tao Antananarivo izy raha tokony handany 10 andro teto Madagasikara, satria tam-pandriana nandritra ny dimy andro. Na dia izany aza dia tamin' ny dimy andro niasany dia afaka nandray fitenenana izy tamin' ny fivoriana sivy.
Tamin' ny taona 1969 dia nisy komitin' ny tanora natsangana ary miasa eto amin' ny Nosy[17]. Tamin' ny volana Jolay 1970 dia tonga teto Madagasikara ny Tanan' ny raharahan' Andriamanitra, Rahmatu'lláh Muhájir, mba hitafa tamin' ireo andrim-panjakana sady nandray anjara tamina zavatra hafa koa[18]. Tamin' ny taona 1972 dia nisy ny fifanaraham-pirenena nivory mba hifidy ny Antenimieram-pirenena ara-panahin' ny Bahay eto Madagasikara ka ny Tanan' ny raharahan' Andriamanitra, Rahmatu'lláh Muhájir, no nisolo tena ny foiben' ny finoana bahay maneran-tany nanatrika ny adihevitra [2] [9] [19].
Tamin' ny volana Marsa 1977 dia nisy zaikam-paritra ho an' ny fandrosoan' ny fivavahana bahay eto Madagasikara natao tao Manakara[20].
Tamin' ny taona 1978 dia tonga teto Madagasikara i Martha Sobhani (vehivavy) izay nandositra ny fanenjahana ny fivavahana bahay tany Iràna ka niara-niasa tamin' ireo tanora bahay teto Madagasikara sady nahita vady maorisiana[21].
Tamin' ny volana Nôvambra 1979 dia nanao zaika hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an' ny ankizy ny Bahay tao Antananarivo. Zaza 11 taona no nitarika ny adihevitra[22].
Maty tamin' ny taona 1981 ny Bahá'í Seewoosumbur Jeehoba Appa avy ao Maorisy raha niaraka tamin' ny mpanolo-tsainan-kôntinenta Shídan Fath-i-A'zam ho aty Madagasikara[12].
Hatramin' ny niforonany dia nandray anjara tamin' ny asa fampandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena ny finoana bahay ka niantomboka tamin' ny fanomezana fahalalahana bebe kokoa ny vehivavy[23] sy tamin' ny fanaovana ny fanabeazana ny vehivavy ho lohalaharana[24] ary tamin' ny fanatanterahana izany tanjona izany amin' ny fanorenana sekoly sy kôperativa ary toeram-pitsaboana[23]. Niditra tamin' ny dingam-piasana vaovao ny finoana bahay tamin' ny nahatanterahany ny hafatry ny foibe maneran-tany tamin' ny 20 Ôktôbra 1963[25].
Asaina hitady fomba mifanaraka amin' ny fampianarana bahay ny mpino mba hahafahany mandray anjara amin' ny fampandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena eo amin' ny fiarahamonina misy azy avy. Tamin' ny taona 1979 dia nisy tetikasa bahay momba ny fampandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena miisa 129 izay ankatoavina eran-tany. Tamin' ny taona 1987 dia nitombo ka nahatratra 1482 ny isan' izany tetikasa fampandrosoana izany.
Hatramin' ny 10 ka hatramin' ny 15 Septambra 1986 dia nandray anjara tamin' ny foaram-pirenena momba ny tanora izay natao tao Antananarivo ny tanora bahay ka nahazo ny loka voalohany tamin' ny fampisehoana mivelatra nataony ary nahazo ny loka faharoa tamin' ny fampisehoana hira sy mozika tamin' izany foara izany ihany, izay nanana ny lohahevitra hoe "Tanora sy fandriam-pahalemana ary fandrosoana"[26]. Nanomboka tamin' ny taona 1989 ny Bahay ao amin' ny toerana maro dia nanao fanentanana ny tomponandraiki-panjakana sy ny mpitarika fari-bohitra hampahafantatra ny fivavahana bahay. Tamin' ireo fivoriana ireo dia maro ny boky izay naseho sady nanoritsoritra ny fomba nahatonga azy ireo hirotsaka amin' ny tetikasa fampandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena ary nanontany ny zavatra hafa mbola azony atao. Nisy ny fampisehoana mivelatra momba ny finoana bahay izay nanasana ny manodidina mba ho afaka hanatrika ny fivoriam-bavaka ao amin' ny ivontoerana bahay eo an-toerana. Nahitam-bokany izany ka nisy olona 700 lasa Bahay tao anatin' ny iray taona.
Tamin' ny fankalazana ny faha-50 taonan' ny nidiran' ny finona bahay teto Madagasikara tamin' ny taona 2003 dia minisitra roa tao amin' ny governemanta malagasy no nandray fitenenana ka nankasitraka ny finoana bahay noho ny fampianarany ny amin' ny maha iray ny olombelona maneran-tany sy ny amin' ny fandriam-pahalemana[2]. Nampiely an' izany ny haino aman-jery. Maro ny gazety namoaka lahatsoratra momba izany fankalazana izany sady nampiely ny vaovao ny fahitalavi-pirenana tamin' ny fotoam-pamaranana.
Tamin' ny taona 2003 dia nisy fiangonana an-toerana miisa 33[2]. Tamin' ny taona 2005 ny Association of Religion Data Archives dia nilaza fa misy mpino bahay 17 900 eto Madagasikara, izany hoe 0,1 % amin' ny mponina rehetra[6].